2 MPANJAKA TOKO FAHA24



1 Tamin’ ny andro nanjakan’ i Joiakima no niakaran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.

2 Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan’ ny Kaldeana sy ny miaramilan’ ny Syriana sy ny miaramilan’ i Moaba ary ny miaramilan’ ny taranak’ i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin’ ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin’ i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.

3 Dia araka ny tenin’ i Jehovah ihany no nahatongavan’ izany tamin’ ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan’ i Manase tahaka izay rehetra nataony

4 sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan’ i Jehovah hamela ny helony.

5 Ary ny tantaran’ i Joiakima sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?

6 Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.

7 Ary ny mpanjakan’ i Egypta tsy nivoaka avy tany amin’ ny taniny intsony; fa lasan’ ny mpanjakan’ i Babylona izay rehetra an’ ny mpanjakan’ i Egypta hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta ka hatramin’ ny ony Eofrata.

8 Valo ambin’ ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’ i Elnatana, avy any Jerosalema.

9 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.

10 Tamin’ izany andro izany no niakaran’ ny mpanompon’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely an’ i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.

11 Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.

12 Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany.

13 Ary navoakan’ i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon’ i Solomona, mpanjakan’ ny Isiraely, tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah, araka izay nolazain’ i Jehovah.

14 Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.

15 Ary nitondra an’ i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka sy ny tandapa [Heb. ionoka] sy ny lehilahy mahery amin’ ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.

16 Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.

17 Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanjaka hisolo an’ i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.

Ny nanjakan’ i Zedekia, sy ny nandravana an’ i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy Joiakina

18 Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin’ i Jeremia, avy any Libna.

19 Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Joiakima.

20 Fa ny fahatezeran’ i Jehovah no nahatongavan’ izany tamin’ i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Babylona.