2 TANTARA TOKO FAHATELO


Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy

1 Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin’ ny fitoerana nofidin’ i Davida teo amin’ ny famoloan’ i Araona Jebosita.

2 Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin’ ny andro faharoa tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona fahefatra nanjakany.

3 Ary toy izao no nanorenan’ i Solomona ny tranon’ Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

4 Ary ny amin’ ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan’ ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.

5 Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika.

6 Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.

7 Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima ny rindrina.

8 Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy

9 Ary ny lanjan’ ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.

10 Ary tao amin’ ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin’ ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.

11 Ny halavan’ ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray;

12 ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin’ ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ ny elatry ny kerobima anankiray.

13 Nivelatra ny elatr’ ireo kerobima Ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.

14 Ary izy nanao ny efitra lamba tamin’ ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin’ ny kerobima ny sorany.

15 Ary nanao andry roa teo anoloan’ ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.

16 Ary nanao tongalika tao amin’ ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon’ ny andry ireo; ary nanao sarin’ apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin’ ny tongalika ireo.

17 Ary ny andry natsangany teo anoloan’ ny tempoly, ny iray tamin’ ny ankavanana, ary ny iray tamin’ ny ankavia; ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran’ ny teo amin’ ny ankavia kosa natao hoe Boaza.