Genesisy toko faha-38
Ny fanambadian'i Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin'i Tamara
1) «Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany. »
2) « Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy. »
3) « Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era. »
4) « Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana. »
5) « Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela. »
6) « Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany. »
7) « Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy. »
8) « Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao. »
9) « Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny. »
10) « Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy. »
11) « Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy. »
12) « Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany. »
13) « Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny. »
14) « Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy. »
15) « Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy. »
16) « Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao? »
17) « Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy? »
18) « Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy. »
19) « Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray. »
20) « Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy. »
21) « Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. »
22) « Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo. »
23) « Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy. »
24) « Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana. »
25) « Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto. »
26) « Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. »
27) « Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony. »
28) « Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany. »
29) « Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany. »
30) « Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany. »