Genesisy toko faha-39
Ny nanaovana an'i Josefa tao an-trano-maizina
1) «Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. »
2) « Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy. »
3) « Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra nataony dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy. »
4) « Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny tompony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. »
5) « Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. »
6) « Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. »
7) « Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka nanao hoe: Avia handry amiko. »
8) « Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. »
9) « Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany, satria vadiny ianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? »
10) « Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan'andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. »
11) « Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. »
12) « Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe : Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. »
13) « Ary rehefa hitan-dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, »
14) « dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; »
15) « ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. »
16) « Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. »
17) « Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; »
18) « ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. »
19) « Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. »
20) « Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. »
21) « Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. »
22) « Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. »
23) « Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah. »