Genesisy toko faha-42

Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba hividy vary tany Egypta, sy ny nihaonany tamin'i Josefa

1) « Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ? »
2) « Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty. »
3) « Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta. »
4) « Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy. »
5) « Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. »
6) « Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. »
7) « Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. »
8) « Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy. »
9) « Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. »
10) « Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. »
11) « Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. »
12) « Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. »
13) « Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony. »
14) « Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina; »
15) « dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala aty ianareo, raha tsy tonga aty izany zandrinareo faralahy izany. »
16) « Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo. »
17) « Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra. »
18) « Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra: »
19) « Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo; »
20) « ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany. »
21) « Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika. »
22) « Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao. »
23) « Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy. »
24) « Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony. »
25) « Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy. »
26) « Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy. »
27) « Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany. »
28) « Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ? »
29) « Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy : »
30) « Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay. »
31) « Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory; »
32) « roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny. »
33) « Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo : ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao aty amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia mandehana; »
34) « ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany ianareo. »
35) « Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra. »
36) « Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany, »
37) « Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina aty aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho aty aminao indray. »
38) « Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko. »