ISAIA 22


 
Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Jerosalema




1 Faminaniana ny amin’ ny lohasahan’ ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa hianareo,

2 Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an’ ady.
3 Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza.
4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
5 Fa ao amin’ ny lohasahan’ ny fahitana dia misy andron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny mànda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin’ ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon’ ampinga
7 Izay tsara indrindra amin’ ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
8 Dia alana ny fisalobonan’ i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala hianao amin’ izany andro izany.
9 Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan’ i Davida; Ary mamory ny rano avy amin’ ny kamory ambany hianareo.
10 Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny mànda.
11 Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ ny mànda roa hianareo halehan’ ny rano avy amin’ ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao hianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
12 Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman’ osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
14 Dia nambaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.

Ny amin’ ny nanonganana an’ i Sebna sy ny nanendrena an’ i Eliakima ho solony




15 Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Andeha mankao amin’ ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin’ i Sebna, lehiben’ ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
16 Manao inona etỳ hianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ hianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin’ ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin’ ny harambato?
17 Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy hianao,
18 Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin’ ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin’ ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin’ ny tomponao.
19 Ary horoahiko hiala amin’ ny fitoeranao hianao sy haongako hiala amin’ ny raharahanao
20 Ary amin’ izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’ i Hilkia;
21 Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin’ ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain’ ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak’ i Joda izy.
22 Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin’ ny tranon’ i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
23 Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an’ ny mpianakavin-drainy.
24 Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, Izay zanaka sy tera-drainy rehetra, Dia ny fanaka madinika rehetra Hatramin’ ny lovia ka hatramin’ ny siny samy hafa rehetra.
25 Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin’ ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.