Josoa toko faha-16                                               

Ny zara-tanin’ ny taranak’ i Josefa

1 Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,

2 dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin’ ny fari-tanin’ ny Arkita hatrany Atarota,

3 dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ ny Jafletita ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina.

4 Dia azon’ i Manase sy Efraima, taranak’ i Josefa, ny lovany.

5 Ary ny amin’ ny fari-tanin’ ny taranak’ i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin’ ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.

6 Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr’ i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,

7 dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin’ i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.

8 Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Kana, ka dia nihatra tamin’ ny ranomasina. Izany no lovan’ ny firenena taranak’ i Efraima araka ny fokony,

9 mbamin’ ny tanàna natokana ho an’ ny taranak’ i Efraima teo amin’ ny lovan’ ny taranak’ i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin’ ny zana-bohiny.

10 Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka andro-any ka ampanaovina fanompoana.

44 sy Keila sy Akziba ary Maresa: tanàna Sivy sy ny zana-bohiny;

45 Ekrona sy ny tanànany ary ny zana-bohiny;

46 hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’ i Asdoda, sy ny zana-bohitr’ ireo,

47 Asdoda sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanànany ary ny zana-bohiny, hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta sy ny amoron’ ny Ranomasina Lehibe.

48 Ary tany amin’ ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko

49 sy Dana sy Ririata-sana.

50 sy Anaba sy Estemo sy Anima

51 sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanàna iraika ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;

52 Araba sy Doma sy Esana

53 sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka

54 sy Honta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanàna sivy sy ny zana-bohiny;

55 Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota

56 sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa

57 sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanàna folo sy ny zana-bohiny;

58 sy Halola sy Beti-zora sy Gedora

59 sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanàna enina sy ny zana-bohiny;

60 sy Kiriata-bala sy Raba; tanàna roa sy ny zana-bohiny.

61 Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka

62 sy Nibsana sy ilay Tanànantsira ary En-jedy: tanàna enina sy ny zana-bohiny.

63 Ary ny amin’ ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’ i Joda; fa miara-monina amin’ ny taranak’ i Joda any Jerosalema mandraka andro-any izy ireny.