1 Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2 Ary nisy firenena fito tamin’ ny Zanak’ Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3 Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
4 Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5 Ary hizara azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’ i Josefa hitoetra any amin’ ny taniny ao avaratra.
6 Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
7 Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
8 Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana mitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.
9 Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’ i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10 Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.