Mpitsara toko faha 15                                             

1 Ary nony afaka kelikely, tamin’ ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak’ osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin’ ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,

2 fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an’ ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina hianao, aoka izy halainao ho solony.

3 Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.

4 Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon’ ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan’ ny rambony ilay hatao fanilo.

5 Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin’ ny varin’ ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.

6 Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton’ ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an’ ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin’ ny afo.

7 Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany hianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.

8 Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak’ ilay harambato mitresaka any Etama.

9 Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin’ ny Joda ka niely tany Lehy.

10 Ary hoy ny lehilahy amin’ ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay hianareo? Dia hoy izy: Hamatotra an’ i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.

11 Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin’ ny Joda nankany amin’ ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin’ i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.

12 Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan’ ny Filistina hianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy hianareo.

13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ ilay harambato.

14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’ i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ ny afo ny mahazaka teny amin’ ny sandriny ary afaka tamin’ ny tànany ny fatorana.

15 Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.

16 Ary hoy Samsona: Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin’ ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.

17 Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy.

18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin’ ny tànan’ ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan’ ny tsy mifora!

19 Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka andro-any.

20 Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin’ ny andron’ ny Filistina izy.

10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain’ i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon’ ny zatovo.

11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.

12 Ary hoy Samsona tamin’ ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin’ ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova hianareo.

13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa hianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.

14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin’ ny mpihinana no nivoahan’ ny hanina; Ary avy tao amin’ ny mahery no nivoahan’ ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin’ ny hateloana.

15 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, dia hoy izy tamin’ ny vadin’ i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ ny afo hianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va hianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va?

16 Ary ny vadin’ i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneko hianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka hianao va no hilazako?

17 Dia nitomany teo anatrehany tamin’ ny hafitoana izay nisian’ ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin’ ny andro fahafito dia nolazain’ i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin’ ny zanaky ny fireneny.

18 Ary nony tamin’ ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin’ i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko hianareo, Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.

19 Dia nilatsaka tamin’ i Samsona ny Fanahin’ i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian’ ireo ka nomeny ho an’ izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Samsona, ka niakatra nankany amin’ ny tranon-drainy izy.

20 Ary ny vadiny dia lasan’ ny namany, izay efa nataony sakaizany.