SALAMO FAHA11


Ny avalin’ ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?

2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ ny kofehy izy, nikendry tao amin’ ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.

3 Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ ny marina atao?

4 Jehovah dia ao amin’ ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan’ i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’ olombelona.

5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ ny fanahiny.

6 Handatsaka fandrika amin’ ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.

7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.