Fivavaky ny ory mba hovonjen’ Andriamanitra tsy ho azon’ ny hery sy ny reharehan’ ny fahavalony
1 Fivavak’ i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka.
2 Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
3 Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin’ ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro.
4 Ny amin’ ny asan’ ny olona, dia ny tenin’ ny molotrao No nitandremako tsy ho amin’ ny làlan’ ny mpanao an-keriny.
5 Ny diako maharitra eo amin’ ny làlanao, Tsy solafaka ny tongotro.
6 Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
7 Ataovy mahagaga ny famindramponao, ry Mpamonjy amin’ ny tànanao ankavanana izay olona mialoka aminao, Mba tsy ho azon’ ny fahavalo.
8 Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao,
9 Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
10 Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
11 Manodidina anay amin’ ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin’ ny tany izahay;
12 Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
13 Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin’ ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon’ ny ratsy fanahy;
14 Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
15 Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.