SALAMO FAHA23
Ny Mpiandry Tsara
1 Salamo nataon’ i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.
2 Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; Mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, Dia tsy hatahotra ny loza aho, Fa Hianao no amiko: Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
5 Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
6 Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.