SALAMO FAHA26


Fangatahana mba tsy hatao ho naman’ ny ratsy fanahy

1 Nataon’ i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin’ ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.

2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.

3 Fa ny famindramponao no eo anoloan’ ny masoko; ary mandeha amin’ ny fahamarinanao aho.

4 Tsy mba miara-mipetraka amin’ ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ ny olom-petsy.

5 Halako ny fiangonan’ ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin’ ny ratsy fanahy aho.

6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin’ ny alitaranao, Jehovah ô,

7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.

8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan’ ny voninahitrao.

9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin’ ny mpanota, na ny aiko amin’ ny mpandatsa-drà,

10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.

11 Fa izaho kosa dia mandeha amin’ ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.

12 Ny tongotro mijoro eo amin’ ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an’ i Jehovah.