SALAMO FAHA29


Fiderana an’ Andriamanitra noho ny heriny sy ny fiandrianany izay miseho amin’ ny kotrokorana

1 Salamo nataon’ i Davida. Manomeza an’ i Jehovah, ry zanak’ Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.

2 Omeo an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masina.

3 Ny feon’ i Jehovah no eny ambonin’ ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ ny rano be.

4 Ny feon’ i Jehovah be hery; Ny feon’ i Jehovah be voninahitra.

5 Ny feon’ i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.

6 Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’ omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.

7 Ny feon’ i Jehovah mampisaraka ny lelafo;

8 Ny feon’ i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr’ i Kadesy.

9 Ny feon’ i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!

10 Jehovah nipetraka teo ambonin’ ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.

11 Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ ny fiadanana.

.