SALAMO FAHA30


Fisaorana nataon’ izay narary mafy noho ny namonjen’ Andriamanitra ny ainy

1 Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.

2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midina any an-davaka aho.

4 Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.

5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana [Heb: Na: noho ny fiadanako] : tsy hangozohozo mandrakizay aho.

7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

9 Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.

11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,

12 Mba hankalazan’ ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.