SALAMO FAHA32


Ny amin’ ny famelan-keloka

1 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.

2 Sambatra ny olona izay tsy isain’ i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.

3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva,

4 Fa efa navesatra tamiko andro aman’ alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon’ ny fahamainana amin’ ny lohataona.

5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin’ i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.

6 Izany no aoka hivavahan’ ny tsara fanahy rehetra aminao amin’ izay andro hahitana Anao; Eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, Tsy hahatratra azy izany.

7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.

8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; Hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.

9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy.

10 Be ny fanaintainan’ ny ratsy fanahy, fa izay matoky an’ i Jehovah kosa dia ho hodidinin’ ny famindrampo.

11 Mifalia amin’ i Jehovah, ary ravoravoa, hianareo olo-marina, ary mihobia, hianareo mahitsy fo rehetra.