SALAMO FAHA46


Fahatokiana an’ Andriamanitra fiarovana mafy.

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Al-alamoth. Tonon-kira. ANDRIAMANITRA no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy.

2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.

4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.

5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.

6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.

7 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.

8 Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;

9 Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.

10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.

11 Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no aro ho antsika.