SALAMO FAHA47


Fihobiana noho ny niakaran’ ny Tompo

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.

2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.

3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika Ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.

4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany.

5 Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.

6 Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.

7 Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara hianareo.

8 Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masina.

9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.