SALAMO FAHA48


Ny tsy nahazoan’ ny fahavalo hamely ny tanànan’ Andriamanitra, Mpanjaka lehibe

1 Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraita. Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.

2 Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe.

3 Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.

4 Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy.

5 Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra;

6 Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.

7 Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.

8 Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.

9 Efa nieritreritra ny famindramponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.

10 Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

11 Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao.

12 Manodidina an’ i Ziona hianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony,

13 Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.

14 Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.