SALAMO FAHA51


Fifonan’ ny manan-keloka mba hahafahan’ ny helony sy hodian’ ny fifaliany amin’ Andriamanitra

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida, fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; araka ny haben’ ny fiantranao vonoy ny fahadisoako.

2 Sasao madio aho mba ho afa-keloka, ary diovy aho mba ho afa-pahotana.

3 Fa tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.

4 Taminao dia taminao ihany no nanotako, ary izay ratsy eo imasonao no efa nataoko, mba ho marina Hianao, raha miteny, ary tsy hanan-tsiny Hianao, raha mitsara.

5 Indro, tamin’ ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.

6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin’ ny miafina no ampahafantarinao ahy.

7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; Sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.

8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.

9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra.

10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.

12 Ampodio amiko ny fifaliana amin’ ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.

13 Dia hampianatra ny olon-diso ny làlanao aho; Ary ny mpanota hampiverenina aminao.

14 Vonjeo ho afaka amin’ ny valin-drà aho, Andriamanitra ô, Andriamanitry ny famonjena ahy; hihoby ny fahamarinanao ny vavako.

15 Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako.

16 Fa tsy fanatitra no sitrakao; raha izany dia nomeko ihany; ny fanatitra odorana tsy mahafaly Anao.

17 Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.

18 Manaova soa amin’ i Ziona araka ny fahasoavanao; ataovy ny mandan’ i Jerosalema.

19 Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra levonina amin’ ny afo; dia hanatitra vantotr’ ombilahy eo amin’ ny alitaranao ny olona.