Ny loza hanjo izay tsy miambim-bava
1 Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana hianao, ry ilay mahery? Ny famindrampon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2 Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
3 Efa tia ny ratsy noho ny tsara hianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.
4 Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
5 Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona.
6 Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
7 Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany.
8 Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindrampon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho.
9 Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masina aho, fa tsara izany.