SALAMO FAHAENINA


Fivavaky ny olona anarin’ Andriamanitra

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Nampiarahina amin’ ny valiha. Al-hasheminith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.

2 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa reraka aho; sitrano aho, Jehovah ô, fa mihozohozo ny taolako.

3 Ny fanahiko koa dia mangovitra loatra; fa Hianao, Jehovah ô, mandra-pahoviana?

4 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindramponao.

5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ ny fahafatesana, any amin’ ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?

6 Efa sasatry ny misento aho; mampitsinkafona ny farafarako isan-alina aho sady mahampo-dranomaso ny fandriako.

7 Lanin’ alahelo ny masoko; efa pahina izy amin’ ny ataon’ ny mpampahory ahy rehetra.

8 Mialà amiko, hianareo mpanao ratsy rehetra; fa Jehovah efa nandre ny feon’ ny fitomaniako.

9 Jehovah efa nandre ny fangatahako; Jehovah no handray ny fivavahako.

10 Ho menatra sy hangovitra indrindra ny fahavaloko rehetra; hihodina izy ka ho menatra tampoka.