SALAMO FAHA61


Fangatahan’ ny mpanjaka efa nandositra, mba hampodin’ Andriamanitra indray

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.

2 Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;

3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.

4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,

5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.

6 Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.

7 Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindrampo sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;

8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan-andro ny voadiko.