SALAMO FAHA63


Ny hetahetan’ ny fanahy maniry an’ Andriamanitra

1 Salamo nataon’ i Davida, fony tany an-efitr’ i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;

2 Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.

3 Fa tsara noho ny aina ny famindramponao; ny molotro hidera Anao.

4 Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako.

5 Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao.

6 Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina.

7 Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako.

8 Mifikitra aminao ny fanahiko; Manohana ahy ny tànanao ankavanana.

9 Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy;

10 Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.

11 Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.