SALAMO FAHAVALO


Ny voninahitr’ Andriamanitra, sy ny voninahitra nomeny ny olombelona

1 Ho an’ ny mpiventy hira Al-hagitith. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra! nataonao eny amin’ ny lanitra ny voninahitrao.

2 Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny minono no nanorenanao hery noho ny mpandrafy Anao, mba hampanginanao ny fahavalo sy izay ta-hamaly ratsy.

3 Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ ny rantsan-tananao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao,

4 Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’ olombelona, no amangianao azy?

5 Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.

6 Efa nampanjakainao amin’ ny asan’ ny tananao izy; ny zavatra rehetra dia efa nataonao eo ambanin’ ny tongony,

7 Dia ny ondry aman’ osy sy ny omby rehetra, ary ny bibi-dia koa,

8 Mbamin’ ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina, Izay mandeha amin’ ny làlan-dranomasina.

9 Jehovah Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ ny tany rehetra!