SALAMO FAHA114


Ny horohoron’ ny tany aman-danitra tamin’ ny nanavotan’ Andriamanitra ny olony tany Egypta

1 Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,

2 Joda no fitoerany masina, Isiraely no fanjakany.

3 Ny ranomasina nahita ka nandositra; Ary niorika Jordana.

4 Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy, Ary ny havoana tahaka ny zanak’ ondry.

5 Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra hianao? Ary hianao, ry Jordana, no miorika hianao?

6 Ary hianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy; Ary hianareo havoana, tahaka ny zanak’ ondry?

7 Mihorohoroa eo anatrehan’ ny Tompo, ry tany, Dia eo anatrehan’ Andriamanitr’ i Jakoba.

8 Izay mampody ny vatolampy ho rano monina Ary ny afovato ho loharano.