SALAMO FAHA115


Fampitahana an’ Andriamanitry ny Isiraely sy ny sampin’ ny Jentilisa

1 Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.

2 Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?

3 Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4 Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:

5 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;

6 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:

7 Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.

9 Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

10 Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

11 Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.

12 Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;

13 Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.

14 Jehovah anie hampitombo anareo, Dia hianareo mbamin’ ny zanakareo.

15 Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

16 Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.

17 Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midina any amin’ ny mangingina;

18 Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.