SALAMO FAHA116


Fisaorana nataon’ izay saiky maty, nefa novonjen’ Andriamanitra

1 Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.

2 Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy, Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.

3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ ny fahafatesana, Ary nahazo ahy ny fahorian’ ny fiainan-tsi-hita; Nahita fahoriana sy alahelo aho.

4 Dia niantso ny anaran’ i Jehovah hoe aho: Jehovah ô, mifona aminao aho, vonjeo ny fanahiko.

5 Mamindra fo sy marina Jehovah Eny, miantra Andriamanitsika.

6 Miaro ny kely saina Jehovah; Reraka aho, dia namonjy ahy Izy.

7 Miverena ho amin’ ny fitsaharanao, ry fanahiko, Fa Jehovah efa nanisy soa anao,

8 Dia namonjy ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao Sy ny masoko tamin’ ny ranomaso Ary ny tongotro tamin’ ny fahatafintohinana.

9 Handeha eo anatrehan’ i Jehovah Eo amin’ ny tanin’ ny velona aho.

10 Nino aho; hiteny tokoa aho [Na: fa hiteny aho] ; Mahantra indrindra aho.

11 Hoy izaho tamin’ ny fahatairako; Mpandainga ny olona rehetra.

12 Inona no havaliko an’ i Jehovah Noho ny soa rehetra nataony tamiko?

13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho Ka hiantso ny anaran’ i Jehovah.

14 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra.

15 Zava-dehibe eo imason’ i Jehovah Ny fahafatesan’ ny olony masina.

16 Indrisy! Jehovah ô, mpanomponao tokoa aho, Eny, mpanomponao sady zanaky ny ankizivavinao; Namaha ny fatorako Hianao.

17 Hianao no haterako fanati-pisaorana, Ary ny anaran’ i Jehovah no hantsoiko.

18 Hanefa ny voadiko amin’ i Jehovah aho, Eny, eo anatrehan’ ny olony rehetra,

19 Dia eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah, Eo afovoanao, ry Jerosalema ô. Haleloia.