SALAMO FAHA117


Fiantsoana izao firenena rehetra izao hidera an’ i Jehovah

1 Miderà an’ i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra.

2 Fa lehibe ny famindrampony amintsika; Ary mandrakizay ny fahamarinan’ i Jehovah. Haleloia.