SALAMO FAHA122


Fifaliana ny amin’ i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.

2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,

3 Dia hianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;

4 Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah. Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.

5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.

6 Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;

7 Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9 Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.