SALAMO FAHA124


Fisaorana an’ Andriamanitra noho ny nanafahany ny mpanompony saiky tra-doza

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:

2 Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.

3 Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;

4 Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;

5 Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.

6 Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny.

7 Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.

8 Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.