SALAMO FAHA126


Fifalian’ ny efa nampodin’ i Jehovah, sy fifonana ho an’ izay mbola babo

1 Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an’ i Ziona avy tamin’ ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.

2 Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin’ ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho an’ ireny.

3 Eny, zava-dehibe no nataon’ i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.

4 Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin’ ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan’ ny riaka any amin’ ny tany atsimo.

5 Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.

6 Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa.