SALAMO FAHA127


Ny fahatsinontsinon’ ny ataon’ ny olona, raha tsy ambinin’ Andriamanitra

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.

2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy.

3 Indro, lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady.