SALAMO FAHA128


Ny hatsaran’ ny tokan-tranon’ ny olona matahotra an’ Andriamanitra

1 Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.

2 Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina hianao.

3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.

4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.

5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie hianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.

6 Eny, hahita ny zafinao anie hianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.