SALAMO FAHA129
Ny hiafaran’ ny mpandrafy an’ i Ziona
1 Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
2 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
3 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
4 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy.
5 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona
6 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
7 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin’ izany;
8 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin’ i Jehovah anie hianareo; Eny, ny anaran’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.