SALAMO FAHA130
Fitarainana ataon’ izay latsaka amin’ ny fahoriana lalina
1 Fihirana fiakarana. Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.
3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
5 Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.
7 Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindrampo sy fanavotana be;
8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.