SALAMO FAHA131


Fiononam-po sy fiankinana amin’ Andriamanitra

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Jehovah ô, tsy nirehareha ny foko, ary tsy niandranandrana ny masoko: Ary tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, Na izay saro-pantarina tsy takatro.

2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho; Tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Dia tahaka Izany ny fanahiko ato anatiko.

3 Ry Isiraely ô, manantenà an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.