SALAMO FAHA133


Ny mahatsara ny fifankatiavana

1 Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina.

2 Tahaka ny diloilo tsara amin’ ny loha, Izay mitsororoka amin’ ny somotra, dia ny somotr’ i Arona, Izay mitsororoka amin’ ny moron-tongotr’ akanjony;

3 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin’ i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.