SALAMO FAHA134
Hira ho fisaorana an’ i Jehovah amin’ ny alina
1 Fihirana fiakarana. Andeha, misaora an’ i Jehovah, hianareo rehetra mpanompon’ i Jehovah, Izay mitoetra alina ao an-tranon’ i Jehovah.
2 Manandrata ny tananareo ho amin’ ny fitoerana masina, Ka misaora an’ i Jehovah.
3 Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.