SALAMO FAHA138


 

Fiderana an’ Andriamanitra noho ny famindrampony sy ny fahamarinany, izay mbola heken’ ny mpanjaka rehetra

1 Nataon’ i Davida. Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ ireo andriamanitra no hankalazako Anao.

2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra.

3 Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.

4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.

5 Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah.

6 Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.

7 Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.

8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindramponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao.