SALAMO FAHA142


 

Vavaka ataon’ izay foin’ ny sakaizany sady enjehin’ ny fahavalony

1 Maskila nataon’ i Davida tamin’ izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin’ i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin’ i Jehovah.

2 Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.

3 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin’ ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.

4 Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.

5 Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin’ ny tanin’ ny velona.

6 Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin’ ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.

7 Avoahy hiala amin’ ny trano-maizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.