SALAMO FAHA143


 

Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy

1 Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin’ ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

2 Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3 Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela.

4 Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.

5 Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko.

6 Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

7 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8 Ampandreneso ny famindramponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

9 Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.

10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina.

11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana.

12 Ary araka ny famindramponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.