SALAMO FAHA144


 

Fiderana an’ Andriamanitra noho ny nanambinany ny mpanjaka, ary filazana ny mahatsinontsinona ny olombelona sy ny soa hitan’ ny mpanompon’ Andriamanitra

1 Nataon’ i Davida. Isaorana anie Jehovah Vatolampiko, Izay mampianatra ny tanako hamely Sy ny rantsan-tanako hiady,

2 Izay Mpiantra sy batery fiarovana ho ahy sady fiarovana avo sy Mpanafaka ahy, Ary ampingako sy fialofako, Izay mahafolaka ny vahoakako hanoa ahy

3 Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao [Heb. ahafantaranao] azy? Ary ny zanak’ olombelona, no iheveranao azy?

4 Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.

5 Jehovah ô, aondreho ny lanitrao, ka midina; Tendreo ny tendrombohitra, dia hidonaka ireny.

6 Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo; Alefao ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireo;

7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny rano be, Dia amin’ ny tanan’ ny hafa firenena,

8 Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka.

9 Andriamanitra ô, hihira fihiram-baovao ho Anao aho; Amin’ ny valiha tory folo no hankalazako Anao,

10 Izay manome famonjena ho an’ ireo mpanjaka, Sady mamonjy an’ i Davida mpanompony tsy ho voan’ ny sabatra mandratra.

11 Afaho aho, ka vonjeo amin’ ny tanan’ ny hafa firenena, Izay miteny zava-poana amin’ ny vavany, Ary ny tànany ankavanana dia tanana ankavanana mamitaka;

12 Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakai-lahy, Ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ ny lapan’ andriana ny zanakai-vavy.

13 Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay;

14 Hahazaka be ny ombinay, Ary tsy hisy ho rava, na ho lasan-ko babo, Sady tsy hisy fitarainana any an-dalambenay.

15 Sambatra ny firenena izay tahaka izany; Eny, sambatra ny firenena izay manana an’ i Jehovah ho Andriamaniny.