SALAMO FAHA75


Ny fahakaikin’ ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.

2 Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.

3 Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.

4 Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha , ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;

5 Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.

6 Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.

7 Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.

8 Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.

9 Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.

10 Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.