SALAMO FAHA76


Fiderana an’ Andriamanitra noho ny nisehoan’ ny fitsarany marina

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany;

2 Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.

3 Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.

4 Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ny tendrombohitra fitohàna.

5 Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.

6 Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.

7 Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?

8 Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,

9 Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany.

10 Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.

11 Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra.

12 Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.