SALAMO FAHA77


Fahatsiarovana ny amin’ ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Asafa. Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.

2 Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.

3 Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.

4 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.

5 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.

6 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:

7 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?

8 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindrampony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?

9 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?

10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.

11 Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;

12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.

13 Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masina  ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?

14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.

15 Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa.

16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.

17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.

18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.

19 Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.

20 Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.