SALAMO FAHA79



Fifonana noho ny faharavana nataon’ ny fahavalo

1 Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin’ ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an’ i Jerosalema ho korontam-bato.

2 Ny fatin’ ny mpanomponao nomeny hohanin’ ny voro-manidina, ny nofon’ ny olonao masina ho an’ ny bibi-dia;

3 Ny ràny naidiny manodidina an’ i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.

4 Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.

5 Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?

6 Aidino amin’ ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin’ ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;

7 Fa efa nandany an’ i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.

8 Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.

9 Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.

10 Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin’ ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran’ ny mpanomponao izay nalatsaka.

11 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan’ ny mpifatotra; araka ny halehiben’ ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.

12 Ary valio impito heny ho ao an-tratran’ ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.

13 Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin’ ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.