Ny fitsaran’ Andriamanitra ny mpitsara etỳ an-tany
1 Salamo nataon’ i Asafa. Andriamanitra dia eo amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra; ary eo amin’ ireo andriamanitra no itsarany.
2 Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy?
3 Alaharo ny tenin’ ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
4 Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy izy.
5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra.
6 Hoy izaho: Andriamanitra hianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra hianareo rehetra;
7 Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany hianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe.
8 Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.