SALAMO FAHA84


Alahelo ny tranon’ Andriamanitra

1 Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraita. Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!

2 Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.

3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.

4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.

5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;

6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka  izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.

7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.

8 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô.

9 Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.

10 Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.

11 Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.

12 Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.