SALAMO FAHA86


Vavaka nataon’ ny mpanompon’ Andriamanitra, fony nenjehin’ ny mpirehareha izy

1 Fivavak’ i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.

2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.

3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Hianao no itarainako mandrakariva.

4 Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Hianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.

5 Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindrampo amin’ izay rehetra miantso Anao.

6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako.

7 Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Hianao.

8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.

9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.

10 Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.

11 Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.

12 Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho, Andriamanitro Tompo ô Hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.

13 Fa lehibe ny famindramponao amiko; Ary efa novonjenao ny fanahiko tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ambany indrindra.

14 Andriamanitra ô, ny mpirehareha mitsangana hanohitra ahy, Ary ny antokon’ ny lozabe mitady ny aiko; Ary tsy mba heveriny fa eo anatrehany Hianao.

15 Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana.

16 Todiho aho ka amindrao fo; Omeo ny herinao ny mpanomponao, Ary vonjeo ny zanaky ny ankizivavinao.

17 Anehoy famantarana ny ho soa aho, Mba ho hitan’ izay mankahala ahy, ka ho menatra izy; Fa Hianao Jehovah ô, no namonjy sy nampionona ahy.